Ny vavaka
"... Tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva ianao ka tsy reraka."
Lioka 18 : 1
Inona no atao hoe mivavaka ?
Ny vavaka dia :
"Antsoy Aho, dia hovaliako hianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina
izay tsy fantatrao."
Jeremia 33 : 3
"Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary
fantaro ny eritreritro."
Salamo 139 : 23
"Ry rahalahy, mivavahà ho anay."
I Tesaloniana 5 : 25
"Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin'Andriamanitra taminareo ;
hevero ny niafaran'ny fiainany, ka araho ny finoany."
Hebreo 13 : 7
"Mifona aminao aho, mamelà ny helok'ity firenena ity araka ny halehiben'ny famindramponao."
Nomery 14 : 19a
"Mivavahà mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana ka miambena
amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra."
Efesiana 6 : 18
"Mifankazara amin'ny Tsitoha hianao dia hiadana,
izany no hahatongavan'ny soa aminao."
Joba 22 : 21
"Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny
fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao,
dia amin'ny
fanahy ratsy eny amin'ny rivotra."
Efesiana 6 : 12
"Mifankazara amin'ny Tsitoha hianao dia hiadana,
izany no hahatongavan'ny soa aminao."
Joba 22 : 21
Aiza no tokony hivavaka ?
"Fa hianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin'ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao,
dia mivavahà amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina, ary ny Rainao, Izay mahita ao
amin'ny mangingina no hamaly anao"
Matio 6 : 6
"Fa na aiza na aiza no iangonan'ny iangonana'ny roa na telo amin'ny anarako dia ao afovoany Aho."
Matio 18 : 20
"Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona; tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa,
mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro."
Hebreo 10 : 25
Impiry no tokony hivavaka ?
"Mivavaha, ka aza mitsahatra"
I Tesaloniana 5 : 17
Vavaka manao ahoana no henoin'Andriamanitra ?
"Aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana"
Jakoba 1 : 6
"Koa hianareo na dia ratsy aza mahalala hanome zava-tsoa ny zanakareo, tsy maika va ny Ray, Izay
any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka Aminy"
Lioka 11 : 13
"Mifaneke heloka hianareo ary mifampivavaha mba ho sitrana hianareo"
Jakoba 5 : 16
"Mifandefera, ka mifamela heloka"
Kolosiana 3 : 13
"Fa ny fiasan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra"
Jakoba 5 : 15
"Fa ny fiasan'ny fivavaky ny marina no sitrany"
Ohabolana 15 : 8
Ahoana ny amin'ny valim-bavaka ?
"Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota fa izay mivavaka aminy,
manao ny
henoiny"
Jaona 9 : 31
"Mangataka hianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka,
mba holaninareo amin'ny
filanareo"
Jakoba 4 : 3
Vavaka modely
"Tompoko, mampianarà anay hivavaka"
Lioka 11 : 1b
"Na inona na inona angatahinareo amin'ny fivavahana dia minoa fa efa nandray
ianareo
dia ho tonga izany"
Marka 11 : 24